Nidina ifotony ny avy ao amin’ny #CirPEB Nosy Be sy ny Filoha ny Fikambanana Mpanjono eny an-toerana, ny faha 05 Jona 2025, nijery ny fomba fitahirizana sy ny fomba fanodinana ny hazan-dranomasina azo toy ny fanamainana na « séchage » ary ny fomba fitanterana ireo vokatra ireo.
Novangiana ihany koa Rtoa Yasmine, izay mpanangona sy mpanodina vokatra hazan-dranomasina ao Ambatozavavy, Nosy Be, izay mifototra amin’ny mahaloky ny vokatra ataony.