Ny sambo mpanao fikarohana RV METEOR izay Alemana dia isan’ireo sambo mpikaroka lehibe manerantany izay manana halavana 96m ary afaka mitondra Mpikaroka maro.
Betsaka ireo Mpikaroka Malagasy nahazo tombotsoa amin’ity sambo ity ka isan’izany Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay nandray anjara tamin’ny fikarohana natao avy ao La Reunion ka hatrany Walvis Bay, Namibia, ny taona 2014.
Nanambara Atoa Minisitra fa tokony hitovy ny fahalalana azon’ny Firenena rehetra (équité dans la connaissance) mba hahafahana samy miatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana atrehina. Tsy tokony hisy ny Firenena miasa mitokana satria iray ihany ny ranomasina ka izany indrindra no tokony hifanomezana tànana hatrany avy amin’ny Mpiantsehatra rehetra.
Mamonjy ny Fihaonam-be Iraisampirenena momba ny Ranomasina andiany faha-3 any Nice Frantsa ireo Mpiaramiasa avy eto amin’ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga ny alatsinainy faha 09 ka hatramin’ny zoma faha 13 ny volana jona 2025.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *