Ny 09 Jona 2025 no nanatontosana ny fankalazana rejionaly ny Andro Maneran-tany ho an’ny Ranomasim-be, fatao isaky ny 08 Jona. Natao tao amin’ny Fokontany Ambolimailaka , Kaominina ambanivohitra Manombo, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo-Andrefana, ny hetsika.
Nosokafana tamin’ny kabary nifandimbiasan’ireo manam-pahefana izay nampahatsiahy ny toerana lehibe tanan’ny Ranomasim-be eo anivon’ny tontolo iainana sy ny tombotsoa azon’ny olombelona avy aminy.
Nasongandina ny tsindry zakainy izay mirona makany amin’ny fahasimbana izany ary nanentanana hatrany ny fandraisan’andraikitrin’ny tsirairay araka ny loha-hevitra tamin’ity dia ny « Mahafinaritra : Tohanana izay manohana antsika » na « Merveille : Soutenir ce qui nous soutient ».
Manoloana an’izany dia hetsika 3 no nandraisan’ny #DRPEB_Atsimo_Andrefana anjara ho fanohanana ny Ranomasim-be, niarahana tamin’ny #ONG_VOIZO sy #FISHES_BAKING, ny « Beach cleaning-up » sy ny fandraofana ireo fako plastika eny amoron-dranomasina, ny fametrahana ny « pépinière de coraux » mba ho fanarenana ireo hara simba, ny adi-hevitra na « panel communautaire » izay nisarihana ireo sokajim-pisehatra voakasika mba haneho ny anjaran’andrakiny sy hampahafantatra ny tokony hatao na tsia ho amin’izay fitantanana maharitra ny fitratrandrahana.
Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika manana ny lanjany manerantany izao : DREDD, Parlemantera Toliara II, Kaominina Ambanivohitra MANOMBO, Filohan’ny Fokontany Ambolimailaka sy ny vahoaka, FIMIHARA, SANSAFA, RENAFEP, REEF DOCTOR.
#MPEB #JMO_2025

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *