Tontosa androany 12 Jona 2025 tao aminโ€™ny Kaominina Ambonivohitra Morondava ny fivorianโ€™ny Komity Marolafy ho anโ€™ny #Farim_panjonoana_C1, izay ahitana ny Faritra Melaky sy Boeny. Ity fivoriana ity dia natao manokana mba hijerena ny zava-bita taminโ€™ny taona 2024 izay niarahana nanapaka sy ny famaritana ny lahatrasa ho anโ€™ny taona 2025.
Taorianโ€™ny fanokafana taminโ€™ny fomba ofisialy notarihinโ€™Andriamatoa Talenโ€™ny Jono avy aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Jono sy ny Toekarena dia nisy ny fampatsiahivana ireo tapaka taminโ€™ny fivoriana farany nataonโ€™ny Ekipa teknika miandraikitra ny fitantanana ny fanatanterahana ireo fanekena anatinโ€™ny bokinโ€™andraikitra (UGE) nitohy taminโ€™ny famelabelarana feno momba ny zava-bita nataonโ€™ireo talem-paritra voakasika izay narahina ady hevitra momba ireo fanamby napetraka ho anโ€™ireo faritra roa izay nojerena ny taham-pahavitanโ€™ny asa sy ny fandrosoana sosokevitra raha nisy ny asa tsy tanteraka.
Taorianโ€™ny tatitra sy fankatoavana ny asa vita dia miisa 05 kosa ny lahatrasa tapaka fa hotanterahana ny taona 2025 dia ny fambolena honko ny fanohanana ireo mpanjono ifotony ny fitantanana sy fananganana ny AMP ny fanofanana sy fanamafisam-pahalalana ho an’ireo mpanjono ary ny fanohanana ny vadin’asa hoan’ireo mpanjono ifotony . Ho fanohanana ireo mpanjono madinika eny ifotony ary dia hisy ny fampitaovana maro samihafa avy amin’ireo orinasa lehibe manjono makamba aminโ€™iny farim-panjonoana iny izay marihana fa fampitaovana arakarakinโ€™ny filร ny faritra voakasika.
Nanamafy ny fahavononany hiasa miaraka ireo mpandray anjara rehetra mba hahazoana antoka fa ho tanteraka ny tanjona napetraka na dia misy ihany ireo olana sedraina. Ity fivoriana ity dia heverina ho dingana lehibe aminโ€™ny fanatsarana hatrany ny fitantanana mahomby ny #Farim_panjonoana_C1 ho tombontsoanโ€™ny rehetra ao aminโ€™ny Faritra Melaky sy Boeny.
#MPEB #DREDD #DRPEB_Melaky #DRPEB_Boeny #REFRIGEPECHE_OUEST #SOMAPECHE #PECHEXPORT #Komity_Marolafy #Faritra_C1 #Mpanjono #Makamba

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *