Anisan’ny manamafy indray ny fanoloran-tenan’i Madagasikara Hiroso Makany amin’ny Toekarena Manga maharitra ny fandraisana anjara nataon’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Nandritra ny Side Event tao amin’ny Green Zone mahakasika ny «  » Fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina » »
Eto Madagasikara, an-tapitrisany ny olona miankina amin’ny harena an-dranomasina, ka zava-dehibe ny fifandanjana eo amin’ny fampiasana sy fiarovana izany .
Vokatry ny fandraisan’anjaran’ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana, izay efa misy ankehitriny satria 280 ireo Faritra Arovana Tantanin’ny Vondrom-piarahamonina indrindra amin’ny faritra ahitana #haran_dranomasina izay mandrakotra manodidina ny 2 230 km².
Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fiarovana faritra manan-danja hafa toa ny #ahidrano sy ny #honko.
Miara-miasa akaiky amin’ireo vondrom-piarahamonina ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny #fitantanana_maharitra sy #mitovy_lenta ny harena an-dranomasina.
Na izany aza, mbola maro ny fanamby sedraina toy ny : tsy fahampian’ny fahalalana ara-teknika sy ara-tsiansa, Ny fahasahiranana ara-bola satria tsy misy fiarovana maimaim-poana ary ny fanamafisana ny fampiarana ny lalana eny ifotony
Isika rehetra dia #manana_anjara_andraikitra amin’ny fanomezana ho avy #maharitra ho an’ny #ranomasintsika. Aoka isika hiara-hiasa amin’ny fanorenana toekarena manga maharitra , ara-drariny ary tompon’andraikitra, satria « Isika no Ranomasina. »

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *