Nifantoka tamin’ny resaka fiarovana ny tontolo andranomasina, ny velontena ao aminy indrindra ny jono ary ny fampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro ny lohateny izay nandraisan’i Madagasikara anjara anio.
Nanambara i Madagasikara🇲🇬 fa ilaina ny fiarovana ny vatohara, ny ahitra anaty rano (phanérogames) ary ny lomotra. Ao ihany koa ny ala honko sy ny maro samihafa satria ireo no antoky ny fahasalaman’ny ranomasina.
Ny resaka jono madinika kosa dia nanambara isika fa nametraka faritra mitokana ho an’ny Mpanjono madinika izay tsy azon’ny fanjonoana vaventy sy salantsalany idirana. Notsindriana mafy ihany koa ny momba ny fametrahana ihany drafitrasam-pirenena izay miompana amin’ny fanjonoana madinika.
#UNOC3_Port_Lympia
#Nice_France
#MPEB_Madagasikara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *