Voasa ary nandray anjara feno tamin’ny hetsika manokana nokarakarain’ny “Vondron’ireo Nosy Madinika Andalam-pandrosoana” sy ireo “Fanjakana Nosy” i Madagasikara. Niompana tamin’ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa hampiroboroboana ny toekarena miompana amin’ny ranomasina na koa hoe ny Toekarena Manga ny adihevitra sy fifanakalozana.
Teboka telo no nasongadin’i Madagasikara nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Sekretera Jeneraly izay nisolo tena ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga:
Fanamafisana ny fiaraha-miasa misy ary iraisan’ny rehetra.
Fanavaozana ireo fomba fanatanterahana ny paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Fanetsehana ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina.
Firenena sivy no voa-solontena sy nandray anjara ary anisan’izay i Madagasikara. Antenaina araka izany ny hiroboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo nosy manodidina sy ny famatsiam-bola mifanentana amin’izany hampandrosoana ny toekarena miompana amin’ny ranomasina.
#MPBEB_Madagascar #UNOC3 #ToekarenaManga #EconomieBleue #UN #FirenenaMikambana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *