Notanterahana tao amin »ny Blue Panda sambon’ny WWF ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo Tetikasa NoCaMo sy ny BIODEV30 eo anivon’ ny Ranomasimbe Indianina.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny « Comité de l’Ocean Indien » (COI), ny « Nairobi Convention Secretariat », ireo solotena avy amin’ny fitondram-panjakana Tanzanianina, Fijianina, Malagasy, Mozambikianina ary ny Senegalianina, tao ihany koa ireo avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny fanantaterahana ny Biodev30 toy ny « CORDIO East Africa », ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina (Groupe Refrigepeches Madagascar, SOGEDIPROMA).
Mba nahafahana namoaka ny fifandraisana amin’ireo tetikasa roa lehibe ireo dia nisy ny asam-baomiera izay nahitana lohahevitra telo lehibe :
1- Ny fifamatorana misy eo anivon’ny fitantanana ny ranomasina sy ny fitrandrahana maharitra ny jono.
2- Ny fampidirana ny « Biodiversité » ao anatin’ny seham-pihariana rehetra mba ho fampivoarana ny fandraisan’andraikitry ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.
3- Ny fijerena ireo fanatsarana ilaina mba ahafahana mamaha ireo famatsiana ara-bola mifandraika amin’ny fahatratrarana ny fanatanterahana ireo fanamby rehetra.
Nohon’ny fandraisan’anjara mavitriky ny rehetra dia afaka nifampizara traikefa ny tsirairay ka hita fa samy nizara ireo ezaka tsara efa nisy tamin’ny sehetra rehetra izay nanokatra lalana amin’ny fiaraha- miasa matotra eo anivon’ireo tetikasa roa ireo manerana ny faritra rehetra.
Fisaorana mitafotafo no atolotra ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity fihaonana ity ary indrindra ho an’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miasa rehetra tao amin’ny sambo « Blue Panda » nohon’ny fifandraisana nafinaritra.
#MPEB #UNOC3 #BIODEV30 #NoCaMo #BluePanda #WWF #COI #NairobiConventionSecretariat #CORDIOEastAfrica