Taorian’ny fivorian’ny komity marolafy ho an’ny farim-panjonoana C2 dia nisy avy hatrany ny fitsidihana sy fifanakalozan-kevitra notarihin’A/toa Fitaleavana ny Jono, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpanjono vaventy, ny talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika,ny DREDD ary ny solontenan’ny mpanjono avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Melaky ity hetsika ity dia natao hifanakalozan-kevitra sy hakana ny hetahetan’ny mpanjono ary hanaovana fanentanana samy hafa.
Toerana telo ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava no nanaovana ny fitsidihana, dia ny Fkt Sans Fil, ny Fkt Nosy Kely ary ny Fkt Betania. Nizotra tsara amin’ny ankapobeny ny fifanakalozan-kevitra. Maro ny sosokevitra sy hetaheta naroson’ny mpanjono, indrindra mikasika ny fanatsarana ny fitaovana entin’izy ireo manjono izay avy amin’ireo orinasa mpanjono vaventy. Nisy ihany koa ny resaka momba ny vadin’asa ho an’ny mpanjono sy ny asa mety ho ataon’ny vadin’izy ireo, mba hahazoana fidiram-bola fanampiny.
Ny tanjona lehibe dia ny hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sehatry ny jono, na ireo mpanjono vaventy na ireo mpanjono madinika ka arakan’ny tetiandro voafaritra dia hisy ny fampitaovana ho an’ny mpanjono madinika alohan’ity farana’ny taona 2025 ity.
Ankoatran’izay dia tsy adino ny fanentanana ireo mpanjono mba hanajan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalana mifehy ny jono izay zava-dehibe amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina mba ho lovain-ny taranaka ho avy.
Izao fifanakalozan-kevitra izao dia manamafy ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny mpanjono, ny orinasa ary ny Minisitera hiantohana ny fahombiazan’ny sehatry ny jono.
#MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *