Taorianโny fivorianโny komity marolafy ho anโny farim-panjonoana C2 dia nisy avy hatrany ny fitsidihana sy fifanakalozan-kevitra notarihinโA/toa Fitaleavana ny Jono, niaraka taminโny solontenanโny mpanjono vaventy, ny talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika,ny DREDD ary ny solontenanโny mpanjono avy aminโny faritra Atsimo Andrefana sy Melaky ity hetsika ity dia natao hifanakalozan-kevitra sy hakana ny hetahetanโny mpanjono ary hanaovana fanentanana samy hafa.
Toerana telo ao aminโny Kaominina Ambonivohitra Morondava no nanaovana ny fitsidihana, dia ny Fkt Sans Fil, ny Fkt Nosy Kely ary ny Fkt Betania. Nizotra tsara aminโny ankapobeny ny fifanakalozan-kevitra. Maro ny sosokevitra sy hetaheta narosonโny mpanjono, indrindra mikasika ny fanatsarana ny fitaovana entinโizy ireo manjono izay avy aminโireo orinasa mpanjono vaventy. Nisy ihany koa ny resaka momba ny vadinโasa ho anโny mpanjono sy ny asa mety ho ataonโny vadinโizy ireo, mba hahazoana fidiram-bola fanampiny.
Ny tanjona lehibe dia ny hisianโny fiaraha-monina mirindra sy milamina eo aminโireo mpisehatra rehetra aminโny sehatry ny jono, na ireo mpanjono vaventy na ireo mpanjono madinika ka arakanโny tetiandro voafaritra dia hisy ny fampitaovana ho anโny mpanjono madinika alohanโity faranaโny taona 2025 ity.
Ankoatranโizay dia tsy adino ny fanentanana ireo mpanjono mba hanajanโizy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalana mifehy ny jono izay zava-dehibe aminโny fitantanana ny harena an-dranomasina mba ho lovain-ny taranaka ho avy.
Izao fifanakalozan-kevitra izao dia manamafy ny fiaraha-miasa matanjaka eo aminโny mpanjono, ny orinasa ary ny Minisitera hiantohana ny fahombiazanโny sehatry ny jono.
#MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba
