Ho fanohizana hatrany ny ezaka dia notolorana fitaovana manaraka ny fenitra ara-teknika toy ny « Filet » 516 isa, « montage » 860 isa, « plomb » 51,6kg, ireo mpanjono mpikambana ao amin’ny #VOI_TAMIA, miisa 172 ny 14 Jona 2025.
Ampahany amin’ireo tohana atolotry ny #tetikasa_TANY_MEVA ho azy ireo izao mba ho fikojakojana hatrany ny Farihy Andranobe Atsinanana sy ireo sahan-driaka manodidina azy ho fiatrehana ny Fiovaovan’ny toetrandro.
Nampahatsiahivina fa mandray anjara betsaka amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana « bonne gouvernance » sy ny fanajana ny lalana mifehy ity sehatry ny Jono ity ny VOI TAMIA ka midera sy matoky azy ireo ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga. Ankasitrahana hatrany ihany koa ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka.
#MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *