I Madagasikara sy Indonezia dia Firenena roa lehibe izay samy manao ny fampivoarana ny fambolena lomotra ho vaindohan-draharaha. 36,4 tapitrisa taonina ny vokatra maneran-tany. 30.000 taonina ny avy ao Madagasikara izay mitetina USD 04 tapitrisa ny vola azo avy amin’izany. Ny tanjona ankehitriny dia ny hampitombo izany ho 300.000 taonina isan-taona.
Mpiantsehatra maro no manampy amin’ny fametrahana izany Vovonana maneran-tany izany. Ny Global Seaweed Coalition, ny FAO, ny UNIDO, ny IOC/UNESCO, ny UNCTAD, ireo sehatra tsy miankina maro dia mifandrimbona avokoa amintsika. Mbola olana atrehina hatreto ny resaka kalitaon’ny vokatra izay mbola tsy misy Fenitra mazava tsara arahana, ny resaka fikarohana momba ny fanodinana ny vokatra, ny resaka lalam-barotra tsaratsara kokoa…
Nanambara Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Paubert MAHATANTE sy Atoa Minisitry ny Raharaham-bahiny lefitra Indonezianina fa fotoana izao ny hahafahantsika mametraka ity rafitra ity ary vonona ireo Firenena roa ireo hitarika ny rehetra. Nanao fanambarana ireo Firenena hafa toy Frantsa, Cape Vert, Tanzania sns fa hanatevim-boho ity rafitra ity.
#Global_Task_Force_Seaweed
#UNOC3_Nice_France
#MPEB_Madagascar