Notanterahina ny faha 16 Jona 2025 tao amin’ny kaominina Tsarasaotra Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania ny tsenabe « TANTSAHA MIAVOTRA » izay nokarakarain’ny Vovonan’ny Mpiompy Trondro sy ny Tranoben’ny Tantsaha Kaominaly,
Tsenabe izay nahitana ireo vokatry ny seham-pihariana rehetra amin’ny fambolena sy fiompiana ary indrindra ireo trondro matavy.
Tantsaha efa mivondrona ao anatina fikambanana avokoa ireo nandray anjara.
Nahitana trano heva miisa 12, izay avy amin’ny Fokontany eo anivon’ny kaominina. Nandray anjara tamin’izany ny #DRPEB_Amoron_i_Mania niaraka tamin’ny #APDRA, ny Vovonan’ny mpiompy trondro Rejionaly #VMR, ny Vovonan’ny mpiompy trondro kaominaly #VMK Tsarasaotra ary ireo mpianatra avy ao amin’ny « College Agricol » avy ao amin’ny #FERT_FIFATA.
Fahombiazana tanteraka ity tsenabe ity ho an’ny seha-pihariana fiompiana trondro.
#MPEB

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *