Toy ny Orinasa rehetra izay manatanteraka ny « Responsabilité Sociétale de l’Entreprise » (RSE), ny Orinasa QMM, miara-miasa amin’ny Fitondram-panjakana dia nanatanteraka fizarana fitaovam-panjonoana ahitana lakana vita amin’ny fibre de verre miisa 10, « moteurs hors bord » miisa 20, harato ZZ miisa 100, « palangres » miisa 300, « glacières » miisa 300 ary salotra vonjy aina miisa 1.000.
Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Rtoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro, Rtoa Tale Jeneralin’ny Orinasa QMM notronin’ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry avy ao amin’ny Faritra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *