Notanterahina tao Fokontany Andriamasoandro, Distrika Betafo,Faritra Vakinankaratra ny 21 Jona 2025 ny Tsenabe ho fampivoarana ny Fikambanan’ny mpiompy trondro FIFAZAN taorian’ny efa-bolana niorenany.
Nandritra izany dia nisy kabary nifandimbiasana niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nampirantiana nandritra izany ihany koa ireo zava-bita toy ny fiakaran’ny taham-pamokarana zanatrondro sy trondro matavy.
Narahina atrikasa niarahana tamin’ireo Fikambanan’ny Mpiompy trondro ny fotoana
izay namahana ny olana amin’ny fantsona fizaràn-drano ho an’ sasany. Ny fanitarana ny fotoana fanatodizan’ny trondro (fanandramana miaraka amin’ny tetikasa DINAAMICC/CIRAD/APDRA).
Nisy ihany koa ny itsidihana ny dobo fitehirizana ireo renitrondro sy fanentanana ary fizarana ny karatra maha mpiompy trondro (miisa 10).