Mitohy hatrany ny ezaka ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ka arka’izany dia nisy ny fampitaovana ho an’ireo mpanjono izay mivondrona ao anatin’ny Fikambanana ZANADRIAKE ny faha 24 Jona 2025 teo, tao amin’ny Fokontany Ambohitsabo, Kaominina Ambonivohitra Toliara .
Ity hetsika ity dia natao hanohanana sy hanatsarana ny fahafahan’ny mpanjono mampitombo ny vokatra sy sy hampandrosoana ny asa fiveloman’izy ireo .Ireto avy ireo fitaovana natolotra tamin’izany : Harato multifilaments, miisa 50 ; Tady (corde) laharana 6, miisa 75 ; Tady (corde) laharana 4 miisa 75 ary Plombs, 100 kg.
Ny Fikambanana ZANADRIAKE dia manohy ny adidy hanatsarana ny fari-piainan’ny mpanjono ao amin’ny faritra Toliara, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ilaina sy ny fanohanana ara-teknika.
#MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #ZANADRIAKE #Mpanjono_madinika #Asa_Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *