Mpikambana avy amin’ny Fikambanana FIMPITI ao Mangarivotra Ikongo no nioty ny Vokatra ny fiompiana trondro Tilapia ny 24 sy 25 Jona 2025 lasa teo. Nahazo tohana zana-trondro avy tamin’ny FDA ity fikambanana ity, ary efa nisitraka fampiofanana momba ny teknika fanatavezana trondro avy amin’ny teknisianin’ny DRPEB 7V.
Enim-bolana aty aoriana, dia dobo roa no niotazana vokatra 180 kg izay namidy *20.000Ar ny kilao ary lany avokoa izany. Faly ary velopisaorana ireo tantsaha tamin’ny tohana azony. Efa miditra sahady amin’ny taom-pamokarana manaraka izy ireo ankehitriny ka dobo efatra no efa nampidirana zana-trondro izay tombanana hiakatra ny volana Desambra.
Mangataka hatrany ny fanamafisana ny tohana izy ireo indrindra amin’ny sakafon-trondro ka iantsoana ny mpiaramiombon’antoka ho fanohanana ity asa fiompiana trondro ity.