Tanterahana ao Uganda ny faha 24 hatramin’ny 27 Jona 2025 izao ny fikaonan-doha sy fampirantiana iraisam-pirenena mahakasika ny Fampamokarana Anaty Rano mitondra ny lohahevitra: « Aquaculture on the rise ».
Nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 25 Jona 2025, Rtoa Filoha lefitry ny Repoblika Multipartite d’Ouganda.
  • Tanjona amin’izao fikaonan-doha izao ny:
  • Fikatsahana ireo teknika vaovao azo ampiharina eo amin ny sehatry ny fampamokarana ny atirano,
  • Fifampizarana ireo fampiharana tsara (Bonne pratique) eo amin’ny samy Firenena Afrikanina,
  • Fifampiresahana ho fanamafisana ny fiaraha-miombona antoka amin ny sehatry ny fampamokarana ny atirano,
Ankoatra ireo dia ezahana mandritra izao fihaonam-be iraisam-pirenena izao ny fampahafantarana sy fanapariahana bebe kokoa ilay « Torolalana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny Fampamokarana ny atirano » (Guide d’investissement en Aquaculture) eto Madagasikara, hisintomana sy hanomezana toky ireo rehetra maniry hampiasa vola aty Madagasikara ho fampivoarana hatrany ny Fampamokarana anaty rano sy ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mandrafitra ny delegasiona Malagasy mandritra izao hetsika izao Rtoa Talen’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana anaty rano (GIZ) sy Rtoa Talem-paritry ny Jono sy Toekarena Manga Vakinankaratra (AUDA-NEPAD/ AU-IBAR) amin’ny anaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary Atoa Pierre Michel RALAIVELO (Vétérinaire aquatique) misolotena ny Fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny Biby (DSV) eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana izay nahazo fanasana manokana avy amin’ny AU-IBAR ihany koa (side event), hotronin’ ireo solotena avy amin’ny mpiara-miombona antoka isan-karazany toy ny APDRA sy ny GIZ.
Samy miezaka mandray anjara mavitrika amin’ireo fivoriana sy fampirantiana mifandraika amin’ny sehatra misy azy avy moa ny delegasiona tsirairay mba hikatsahana hatrany ny tombotsoa ambonin’i Madagasikara sy ho fampivoarana haingana ity sehatry ny Fampamokarana anaty rano ity.
Marihana fa ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa FISHGOV2 sy ny Fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny GIZ no manohana izao hetsika izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *