Notanterahana nandritra ny 02 andro tao Kampala, Uganda, ny faha 28 sy 29 Jona 2025 ny fivoriana faha-04n’ny Vaomiera manokana ho fanovana sy fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty Rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina na « 4th Meeting of the Working Group of the African Fisheries Reform Mechanism » (AFRM).
Narafitra nandritra ity fivoriana ity ireo volavolan-kevitra mirakitra ny drafitrasa iraisana « Policy Brief » ho fanatanterahana ny « Agenda 2063 » (CAADP) eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga .
Hahazo tombotsoa amin’ireo « Policy Brief » voavolavola ireo i Madagasikara indrindra eo amin’ny fifaneraserana ara-barotra sy famokarana fitaovana sy « intrants » (toy ny sakafon-trondro) ary ny fiarovana mialoha ny toeram-piompiana (biosafety & biosecurity).
Mbola hisy noho izany ny fotoana hanaparitahana ireo antontan-kevitra « Policy Brief » nivoaka ireo amin’ny fotoana maha-mety izany.

Marihana fa ny AU-IBAR amin’ny alalan’ny tetikasa FISHGOV2 hatrany no nandamina sy niantsoroka izao hetsika izao.
#MPEB #AU_IBAR #FISHGOV2 #AFRM #PolicyBrief #Agenda2063 #CAADP #Jono #ToekarenaManga #FampamokaranaAnatyRano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *