Fahombiazana izay amin’ny ankapobeny ny hamehezana ny hetsika Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05 izay notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina nandritra nandritra ny 04 andro. Androany 05 Jolay 2025 no namaranana izany hetsika izany tamin’ny fomba ofisialy.
Nandritra izay 04 andro nanaovana ny hetsika dia trano heva miisa 70 no nampirantiana ireo vokatra teny an-toerana narahina fampiofanana fiompiana trondro mamaim-poana.Maro ireo mpandray anjara no nahazo fifanaraham-piaraha miasa sy nahazo mpanjifa vaovao.
Nambaran’Atoa Razafimandimby Jean Chrysostophe, Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano, eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay namarana izany hetsika izany tamin’ny fomba ofisialy fa tanjona amin’ izao ny hampiakarana ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara sy hanomezan-danja ireo vokatra avy amin’ny hazan-drano. Nohamafisiny ihany koa fa misokatra ho an’ny rehetra Ministera ary vonona hatrany ny hanome tosika ara-teknika ho an’ireo mila izany.
Ho fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara sy ho famporisihana azy ireo handray anjara amin’ny Tsenaben’ny hazandrano andiany faha 06 izay hotanterahina amin’ny taona ho avy moa dia nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho azy ireo.
MPEB #AMPA #TsenabeHazandrano #FoireDesProduitsHalieutiques #ToekarenaManga