Ny faha 05 jolay 2025 lasa teo dia notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antsohihy, Faritra SOFIA, ny fampiofanana niompana tamin’ ny fiompiana trondro an-dranomamy izay natokana indrindra ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Institut Universitaire et Technologique d’Antsohihy (IUTAM).Nandritra izany dia nisy ny fiofanana ara- teorika natao mba hanomezana fototra mafy orina momba ny teknika sy ny fomba fiasa amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fampiharana an-kianja izay nahafahan’ireo mpianatra nampihatra mivantana izay zavatra nianarany. Miisa 35 ny mpianatra nahazo tombontsoa tamin’ity fiofanana ity izay nanome azy ireo fahalalana sy fahaizana azo hampiharina avy hatrany.
Ity fampiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny IUTAM sy ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) ao amin’ny Faritra SOFIA izay fiaraha-miasa natao hikendry ny hampiroborobo ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra, indrindra ho an’ny tanora izay heverina hampivoatra ny toe-karena isambatan’olona eo an-toerana.

MPEB #DRPEB_SOFIA #Fiompiana_trondro # Asa_Manga #Toekarena_Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *