Tontosa tao amin’ny Fkt Anosibe Ampilahoana ao amin’ny Kaominina Amparafaravola, ny fihaonana goavana niarahana tamin’ny VOI Aro izay mitantana faritra zetra (marais) izay midadasika mihoatra ny 3.000 hektara eo. Tonga nanatrika ity fihaonana ity ireo solontena avy amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB), ny Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) ny DEDR ao amin’ny faritra ny ONG Durell, ary koa ny ben’ny tanànan’i Amparafaravola.
Nandritra ny fihaonana dia nisy ny famindram-pitantanana ny Harena Voajanahary na (TGRN) famindram-pitantanana ny harena an-dranomasina na (TGRH) kosa dia mbola miandry ny fivoahan’ny didim-pitondrana mamaritra ny drafi-panajariana ny jono ao amin’ny faritra. Io faritra zetra ao Anosibe Ampilahoana io no mbola misy zetra mikitroka tsara ary tsy dia tafiditry ny mpitrandraka avy amin’ny kaominina hafa.
Mba hiantohana ny faharetan’ny fitrandrahana ireo harena azo avaozina anisan’izany ny hazandrano, dia nisy ny fampitana sy fanamafisana ireo fepetra sy fitsipika mifandraika amin’izany. Ankoatra izay, nisy koa ny fanenatanana ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny asa fanjonoana, fanampin’izay, namafisina ny fandraràna ny fampiasana lay amin’ny fanjonoana, mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena an-dranomasina. Marihina fa miisa 202 ny mpisehatra nanatrika ity fihaonana ity.
#MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #DREDD #DEDR #ONG_DURELL