Tontosa ny faha 07 ka hatramin’ny faha 08 Jolay 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra ao amin’ny Kaominina Andrenivohitra Ihosy, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ny atrikasa momba ny fametrahana ady amin’ny kolikoly eto anivon’ny #DRPEB_Ihorombe.
Atrikasa notarihin’ny avy ao amin’ny #STAC #MPEB, niarahana tamin’ny solon-tenan’ny #BIANCO Fianarantsoa sy ny DRPEB Matsiatra Ambony.
Fanofanana sy fametrahana ilay Fenitry ny Fitondran-tena SDC na « Standard de Comportement » eo am-panatanterahana ny asam-panjakana no nentin’ny avy ao amin’ny STAC. Nisy ny fanazavana mikasika izay rehetra ho endriky ny kolikoly sy ny mety ho vokany amin’ny fanaovana ny asa no novelabelarin’ny avy ao amin’ny BIANCO Fianarantsoa.
Teo ihany koa ny fizarana traikefa amin’ny fisorohana izay mety ho kolikoly eo am-panatanterahana ny asa avy amin’ny #DRPEB_Matsiatra_Ambony.