Notanterahina tao Fenoarivo Atsinanana ny 08 Jolay 2025 ny « réunion comité mixte » amin’ny fanatanerahana ny RSE ho an’ny mpanjono vaventy manao jono makamba ao aminy Zone D1 .
Fivorina izay notarihany Atoa Tale misahana ny Jono notronin’Atoa Tale Kabinetran’ny Ministera miaraka amin’ny Atoa Tale CSP. Nandray anjara tamin’izany fivorina izany ihany koa ny Talem-paritra ny Jono Atsinanana sy Analanjirofo, ny solontenany Talem-paritra ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ny Atsinanana sy Analanjirofo; ny solontenany orinasa mpanjono ary ireo solontenany mpanjono.
Nandritra izany fivorina izany no nanaovana tatitra ny zava-bita sy fandaniana ny tetibola taona 2023-2024. Nandinihina ireo tetikasa izay ho atao amin’ity 2025 ity. Narahina ny fizarana ireo teti-bola ampiasaina ato anatiny faritra izany dia ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo izay samy anatiny Zone D1 avokoa.
#MPEB #Jono #ZoneD1