Tontosa ny 08 Jolay 2025 teo tao amin’ny Fkt Anosy, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anosiala, ao anatin’ny distrikan’i Manakara, ny hetsika fanamafisana ny fanentanana momba ny ICAM (Intoxication par Consommation d’Animaux Marins) na ny fanapoizinana ateraky ny fihinanana hazan- an-dranomasina sasantsasany miondra fanapozinana izay notanterahan’ny ekipa avy ao amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Fitovignany .Ity hetsika ity dia natao mba hampahafantarana sy hampahalalana ireo mponina ao an-toerana ho mailo hatrany manoloana ny loza mety hitranga.
Maro dia maro no tonga nifamory tamin’ity hetsika ity izay nahitana mpanjono sy vehivavy ary ankizy ka nandritra ny fanentanana dia nifampizarana tamin’izy ireo ny fampahalalana ilaina rehetra mifandraika amin’ny ICAM. Anisan’izany ny fampahafantarana ny karazana trondro sy biby an-dranomasina tsy azo hoanina na hamidy indrindra mandritra ny vanim-potoana mafana na rehefa manatody satria mety hiteraka fanapoizinana.
Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitandremana mba tsy hisian’ny loza mety hanohintohina ny fahasalamana.
Ho fanamafisana ity hetsika ity dia nisy ihany koa ny fizarana takelaka na “posters” ho an’ny mponina izay misy sary sy anaran’ireo karazana hazan-dranomasina mety hiteraka izany fanampoizinana izany mba ho fitaovana enti-manampy ny vahoaka hahafantatra tsara ireo karazana trondro tsy tokony hohanina na hamidy. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tanjona ny hiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy hiantohana ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina amin’ny alalan’ity fanentanana ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *