Notanterahina tao amin’ny hôtel “Étoiles de Mer” ao Toliara ny faha 17 Jolay 2025 lasa teo ny atrikasa iray nokarakarain’ny Fikambanana ACB na “Action for Community and Biodiversity”. Ity atrikasa ity izay natao manokana mba hampahafantarana sy entina hampiroboroboana ny tetikasa roa lehibe dia ny tetikasa ACH (Action de Conservation des Herbiers marins) sy ny ORIANO. Ireo tetikasa roa ireo dia mikendry ny hanarenana sy hiarovana ireo rohivoahary an-dranomasina.
Ny tetikasa ORIANO dia haharitra 4 volana ary ao amin’ny faritry ny Fkt Beravy sy Ifaty no hanatanterahina azy. Etsy ankilany kosa ny tetikasa ACH kosa dia haharitra 18 volana ary hifantoka amin’ny faritry ny Fkt Betsibarika, Madiorano, ary Ambalaboy.
Anisan’ny fanamby lehibe mety hatrehin’ireo tetikasa ireo ny fampihenana na ny hanafoanana mihintsy ny fampiasana “draonto” na “tarikaky”, izay fomba fanjonoana manimba ny hazan-dranomasina ary eo andalampitadiavana paikady hiadiana amin’izany ny tetikasa amin’izao fotoana izao. Naroso ho vahaolana vonjimaika hiatrehina izany ary ary tapaka nandritra ny atrikasa ny fampiharana ny “DINABE” izay mikendry ny hametrahana ireo fitsipika hifampifehezana eo amin’ny fiaraha-monina mba hampihenana ny fampiasana ireo fomba fanjonoana manimba sy hiantohana ny fahombiazan’ny asa fiarovana.
Tonga nanatrika sy namaly ny fanasana ireo solontena avy amin’ireo sampan-draharaha isan-karazany ka anisan’izany ny solontena avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Atsimo Andrefana , ny avy eo amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda, ary ny Distrikan’i Toliara-II. Nanatevin-daharana azy ireo ihany koa ireo solontenan’ny mpanjono sy ny Sefo Fkt avy amin’ny faritra voakasik’ireo tetikasa ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *