Tontosa tao amin’ny Hôtel Courtyard Marriott, Kingston, Jamaïque ny faha 20 Jolay 2025 ny atrikasa momba ny tontolo ny ati-ranomasina na « fond marins » « DEEPSEA DIALOGUE » izay tafiditra amin’ny fanomanana ny fihaonambe faha-30 ny « autorité internationale des fonds marins » na AIFM izay miadidy ny fitantanana ny ranomasimbe ivalany faripiadidiany firenenana tsirairay na « zone au-delà de la juridiction nationale ». Isany voantso i Madagascar amin’ny alalan’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #DRPEB_Fitovinagny no solo-tena amin’ny zany.
Tanjon’ny atrikasa ny hifampizara ny ezaka vita ny #AIFM sy ireo tsindry mety hisy raha toa ka miditra amin’ny fitrandrahana ireo metaly sy mineraly sarobidy ao ambany ranomasina na « deepsea mining » ireo ny zanakolombelona.
Maro ireo mpikaroka mampitandrina fa hanimba ny tontolo iainana an-dranomasina ny mety ho fidirana amin’io fitrandrahana io ka mety hampididoza hoan’ny taranaka.
Efa misy ny fandrafetanana volavolan-dalàna na « projet de code minier » ataon’ny AIFM hifehezana ny « deepsea mining » saingy tsy tokony atao ankamehana izany.
Nifarana tamin’ny adi-hevitra na « panel de discussion » ny atrikasa ka manampahaizana momba ny lalàna sy Toekarena ary siansa biolojia no niara-nikaondoha sy nanao antso ny firenena rehetra mba tsy hanaiky ny fidirana amin’ny fitrandrahana raha tsy feno ireo fahalalana ara-tsiansa afahana mamaritra mialoha ny voka-dratsy ny fitrandrahana, ary raha tsy tafapetraka ny cadre légale « code minier » izay afaka miaro ny tombontsoa ny taranaka ankehitriny sy hoavy.
Ny IUCN, miaraka amin’ny DONA Bertarelli philanthropy ary ny OCEANO AZUL Foundation no niara-niasa nikarakara ny atrikasa izay niarahan’izy ireo nanomana tamin’ny AIFM. Tonga nanotrona izany moa ny Sekretera Jeneraly ny AIFM, Ramatoa LEITHICIA Carvalho.
#MPEB