JONO TSY MANARA-DALANA : NIAMPY IREO FITAOVANA ENTINA HITSIRIHANA NY SISIN-DRANOMASIN’ I MADAGASIKARA
➡️Ankoatr’ireo Sambo miisa 25 izay fitaovana hananantsika entina miady amin’ny Jono tsy manara-dalana eto Madagasikara dia niampy indray izany ankehitriny satria nanolotra #Drone miisa 02 entina hanatsarana izany ady izany ny eo anivon’ny #WWF izay mpiara-miombon’antoka no miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono.
Miavaka Ary mora hampiasaina ity fitaovana iray ity satria dia vita avy amin’ny akora fototra izay misy eto Madagasikara avokoa anisan’izany ny polystyrène. Hisy arak’izany ny fampiofanana omena ireo teknisianina eto anivon’ny Ministera izay hidina ifotony ahafahan’izy ireo mampihatra izany avy hatrany ahafahana manafoana aignana ity Jono tsy manara-dalana ity.
Hirariana mba hitombo hatrany ireo fitaovana entina mitsirika satria midadasika ny sisin-dranomasin’ i Madagasikara ,Ary izao no atao dia hananantsika ilay #FANJONOANA_MAHARITRA HO #LOVAIN_JAFY.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *