Mitohy hatrany ny tantsoroka sy famatsiana fitaovana ireo mpiompy trondro avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Mpisitraka 51 nahazo fiofanana maimaimpoana ao amin’ny Kaomininana Morarano Gara sy Beforona Distrikan’i Moramanga no notolorana fitaovana isan-karazany miisa 408 toy angady,koveta sy ny maro samihafa.
Nanolotra izany tany antoerana ny ekipan’ny CirPEB Moramanga.Tontosa izao noho ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharan’asa PREAA (Aty ala atsinana Émission Réduction Program).
Tanjona ny fampidirana azy ireo amin’ny sehatra matianina .Aorian’ny fahitan’ny dobon’izy ireo dia mbola hozaraina zanatrondro miaraka amin’ny sakafony izy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *