Notontosaina tao Ambatobe-Antananarivo ny 24 Jolay 2025 ny ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra amin’ny fampamokarana ny aty ranomamy izay nosakafan’Atao Tale Jeneraly ny Toekarena Manga eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena tamin’ny fomba ofisialy.
Tanjona ny nanaovana jeritodika ireo efa vita amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny fampandrosoana ny fampamokarana ny atiranomamy na ny PDACM, ireo olana sy ireo sos-kevitra ho fanatratrarana ny tanjona voasoratra anaty PDACM.
Nivoitra tamin’izany fa maro ireo asa vita, toy ny fametrahana drafitrasa famokarana zanatrondro tsara kalitao na ny ZEP, ny fampiofanana ny fiompiana trondro sy ny maro hafa. ankoatr’izay anefa dia mbola maro ny ezaka tokony hatao eo amin’ny fametrahana fampamakorana ny atirano tsara tantana isan’izany ny fananganana sehatra ifanakalozan-kevitra sy vaovao ho an’ireo mpandray anjara rehetra amin’ io sehapihariana io.
Taminny alalan’ny asam-bomiera moa no nandrafetana sy namoahana ny tsoan-kevitra nandritra ity atrikasa ity
#MPEB #DA #GIZ_ASAM