Taorian’ny fihaonana ara-teknika niarahana tamin’Atoa Dr Qu Dongyu izay Tomponandraikitra voalohany manerantany #momba_ny_sakafo eto anivon’ny #Firenena_Mikambana dia nisy ny fitsidihana ny Royal Tilapia izay Toeram-pamokarana trondro no Sady mamokatra sakafon-trondro ihany koa Anio 25 Jolay 2025.
Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert niara- nandray azy ary nifampitafa mahakasika ny famokarana trondro eto Madagasikara amin’ny ankapobeny, teny an-toerana ihany koa ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny FAO , sy ireo teknisianina avy eto anivon’ny Ministera.
Nandritra ny fitsidihana dia Nisy ny fifampizarana traikefa niaraka tamin’Atoa tale Jeneraly sy ireo dingana nolalovany rehetra teo amin’ny sehatry fiompiana trondro . Nanome Toro-marika ihany koa ny tenany ahafahana mamokatra bebekokoa sy ahafahana mampiakatra hatrany ny tahan’ny fihinanan’ny malagasy trondro noho izy ity sakafo ara-pahasalamana no manampy amin’ny ady amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo.
Marihina fa tetikasa 07 momba ny jono sy ny fihariana anaty rano izay mitetina USD2.225 tapitrisa no tantsoroka nataon’ny FAO nanomboka ny taona 2021.
#Royal_Tilapia
#Ambatolampy_Tsimahafotsy
#MPEB_FAO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *