Nanisana Antananarivo, Faritra Analamanga.
Niampy iray indray ny fiara lehibe izay ahafahana #mamoaka ireo vokatra an-dranomasina any amin’ireo toerana #saro_dalana ankehitriny. Tsy atahorana ho Simba arak’izany ireo vokatra fa #azo_tehirizina tsara mandram-pahatonga any an-tanan-dehibe izay hivarotana azy ireo . Marihina fa Manamora ny fitadiavana #lalam_barotra ho an’ireo mpanjono ihany koa ny fisian’ny fitaovana toy izao .
Anio 24 Jolay 2025 no nandraisana ity « Camion frigorifique » ity izay Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB sy ny #SADC tamin’ny alalan’ny Tetikasa #Profish_blue izay vatsian’ny #BAD na ny banque africaine de développement vola.
Vokatra an-dranomasina 3 taonina eo ho eo no zakan’ity camion frigorifique ity , izay no ahafahantsika manatsara ny rojom-pihariana Ary ny avy eo anivon’ny #RENAFEP ( Reseau National des femmes de la pêche) kosa no hitantana azy .
Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert
#Profish_Blue #SADC
#CAMION_FRIGORIFIQUE
#BAD

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *