Notanterahina ny 24 sy 25 Jolay 2025 ny atrikasa fankan-kevitra miaraka amin’ireo mpisehatra nationaly momba ny famolavolana ny tetikasa fitaratra « Jono makamba maharitra, ao amin’ny faritra Menabe » izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa BIODEV 2030 andiany faharoa. Marihina fa ity tetikasa ity dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy. Ity ny atrikasa faha telo izay notanterahina tany Ampefy taorian’ny atrikasa indroa miantoana izay fankan-kevitra teny ifotony notanterahina tany Morondava.
Mpitantsoroka ny WWF sy ireo mpiara- miombonantoka ary ny tetikasa BIODEV 2030. Nanokatra ny izany tamin’ny fomba ofisialy A/toa Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana ny Ati-rano eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ireo Mpandray anjara kosa dia nahitana an’ireo avy amin’ny sehatra rehetra (Administration, ny solontenan’ny Ben’ny tanàna avy amin’ny faritra Menabe, mpanjono madinika, ny mpanangom-bokatra, ny GAPCM sy ny orin’asa vaventy mpidrandraka makamba, ny fiaramonim-pirenena, ny ONG,…) mahakasika ny jono makamba no, ary nahitana ireo mpisehatra avy amin’ny faritra Menabe.
Ny BCPA moa no mpanamahay voafidy hamolavola ny tetikasa. ‎Nankatoavina tamin’izany ny volavolana tetikasa izay hatsangana, taorian’ny fanitsiana vitsivitsy hifanandrify amin’ny politika nasionaly amin’ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara.

‎ #MPEB #MEDD #Jono #makamba_maharitra #WWF #BIODEV2030

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *