Ala Honko , Vahatry ny aina , miaro ireo zava-manan’aina , manamafy ny fahafahantsika miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro Io no lohahevitra nasongadina mandritra ity Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala Honko ity .
Manao ny ezaka hatrany ireo Ministera Tompon’andraikitra ( MPEB & MEDD ) na ireo mpanjono na ireo Vondron’olona ifotony amin’ny fanarenana sy fiarovana ity rohivoary ity mba hampaharitra azy ho lovain-jafy satria arakaraky ny fiarovana izany no mahabetsaka ireo harena ao anatiny. Tsara ihany koa ny Manamarika fa mifampiankina tanteraka ny asan’ny Ministera 2 Tompon’andraikitra Raha ny ala Honko no resahina.
Rehefa Misy ny Ala dia misy rotsak’orana izay mampisy rano ho an’ny sehatry Jono sy ho fiarovana ireo zava-manan’aina rehetra miaina ao aminy
#MAINTIRANO_FARITRY_MELAKY
#MPEB_MEDD