Ezahina hatrany ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpanjono sy ireo « mareyeurs » mba hahafahan’izy ireo manatsara ny vokatra azo avy amin’ny asany izay miantoka ny kalitaon’ny vokatra ary mandray anjara amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.
Arak’izany dia tontosa tao amin’ny Distrikan’i Tsihombe sy Ambovombe ny fampiofanana izay naharitra herinandro teo izay nanomboka ny faha 18 ka hatramin’ny 24 Jolay 2025 teo izay nahitana mpanjono sy mareyeurs nisitraka izany niisa 119. Fampiofanana ara-teorika ary narahana fampiharana ho fanomezana fahalalana sy fahaizana vaovao ho an’ireo mpandray anjara, hahafahana manatsara ny asany sy ny vokatra azo avy amin’ny jono.
Nisy lohahevitra maromaro izay hita fa manan-danja no nozaraina sy nodinihina nandritra ity fampiofanana ity ka anisan’izany:
Ny fampahafantarana tamin’ireo mpandray anjara ny fitsipika sy lalàna mifehy ny sehatry ny jono eto Madagasikara eo ihany koa ny fanazavana ny mety ho voka-dratsin’ny fihinanana hazandrano izay mitondra fanampoizinana sy ny fomba hamantarana ny karazana hazandrano mety hiteraka fanapoizinana, ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina rehefa mikirakira ny vokatry ny jono, manomboka amin’ny fanjonoana ka hatramin’ny fivarotana azy. Teo ihany koa ny fanomezana azy ireo ireo teknika isan-karazany hitehirizana ny vokatra sy ny hitazomana hatrany ny kalitaony ary farany dia ny Fampianarana manokana no natokana ho an’ny fanamboarana fitaovam-panjonoana toy ny « Filet ZZ » » Palangre » sy fomba fanamboarana lakana simba, mba hahafahan’ny mpanjono mitazona ny fitaovany ho amin’ny fampiasana maharitra sy azo antoka.
Naneho fahafaham-po sy fankasitrahana ireo mpandray anjara tamin’ity fampiofanana ity, izay nahafahan’izy ireo nianatra teknika vaovao sy nanatsara ny fahaizany. Maro tamin’izy ireo no naneho ny fikasany hampihatra avy hatrany ny fahalalana sy fahaizana azo tamin’ny asany andavanandro.
#MPEB #DRPEB_ANDROY #FAO #MIONJO