Fanamboarana dobo trondro vaovaon’ny Sekoly fanofanana ho mpiandry Fonja (ENAP).
Maro ireo sekoly sy orinasa miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ka anisan’izany ny Sekoly fanofanana ho mpiandry Fonja (ENAP) ao Antetezambaro ,Toamasina II.
Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Atsinanana sy ny ENAP dia dobo trondro miisa 18 no haorina ao amin’ny tanin’ny sekoly izay samy manana velarana 240 metatra toradroa avy.
Ny DRPEB no manara-maso sy manome toromarika mikasika ireo teknika fanamboarana azy.Karaza n-trondro tilapia « Oreochromis niloticus » no hompiana amin’izany izay tena mety amin’ny toe-tany any amin’iny faritra iny.Hantenaina araka izany fa hampitombo ny vokatra trondro any an-toerana ny fahavitany ary ho modely azo halaintahaka eny ifotony ka haharesy lahatra ny maro hisehatra amin’izany fiompiana trondro izany.
#MPEB #DRPEB #Atsinanana #ENAP #Tantsoroka_sy_fiarahamiasa #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *