Ho fanatsarana ny velon-tenan’ireo mpanjono sy hisorohana ny fahasahiranana ara bola mahazo azy ireo mandritra ny fotoana hikatonan’ny rano sy ny tsy fahafahana manao ny asa dia namorona ny tahiry iombonana na G.E.C izy ireo.Sehatra natao hifampitaizana amin’ny fahaizana mitantam-bola.Fomba iray ihany koa natao hifampitsinjovana amin’ny lafiny sosialy sy hahafahana miaro sy manatsara ny tontolo iainana.Arak’izany dia nanao ny zaikabe tao Befotaka, kaominina Nosy Be, Faritra DIANA ireo mpikambana GEC miisa 38 tao an-toerana ny faha 23 Jolay 2025 lasa teo.
Nandritra izany no nanehoany ny firaisankina sy fifankatiavana niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana.Teny filamatr’izy ireo rahateo ny hoe »Fitiavana Fahendrena,Fandeferana. »
#MPEB #CirPEB_NosyBe #Zaikabe #GEC_La_Clé_Telo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *