Tafiditra anatin’ny Fankalazana hatrany ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala honko (#Jim) dia nitohy tamin’ny fanarenana ny ala Honko tao amin’ny Fokontany Ampasimandroso izany Anio 27 Jolay ka Zanaka Honko antsoina hoe #Tangambavy ( Ceriops tagal) miisa 30 000 no voavoly tamin’izany .

zava-dehibe ny Fanarenana indray ireo Ala honko satria miantoka tanteraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina no toerana fanatodizana sy fitomboan’ny hazandrano toy ny makamba, drakaka sy ny sisa izay miantoka ny velontenan’ireo mpanjono ifotony no ahitan’ireo mpanjono madinika na vaventy sy ny Faritra tombontsoa. Fa indrindra ny hampaharitra izany ho an’ny taranaka fara-mandimby . Ity Hetsika fanarenana ala Honko ity ihany koa no nentina namaranana ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala honko izay Notanterahina Teto Maintirano. Nifandrimbona nanatanteraka izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga (#𝗠𝗣𝗘𝗕) MAHATANTE Paubert,
ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#𝗠𝗘𝗗𝗗) ANDONIRINA Max Fontaine, ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, ny sivily sy miaramila ,ireo Tompon’andraikitram-panjakana eny an-toerana, ireo fikambanan’ny mpanjono, ireo Tanora rehetra sns….
« HONKO , VAHATRY NY AINA , MIARO IREO ZAVAMANANAINA, MANAMAFY NY FAHAFAHANTSIKA MIATRIKA NY FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO »
#MPEB #MEDD
#JIM2025 #MAINTIRANO #FARITRA_MELAKY
#FANARENANA_ALA_HONKO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *