Nandritra ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Rohivoary ala Honko hatrany dia nozaraina fampitaovana maro ireo mpanjono eny ifotony AVY amin’ny orinasa misehatra amin’ny Jono makamba entina hanatsarana ny foto-piveloman’ireo ireo ,ireo izay manantateraka ny fanaraha-maso sy fanarenana ny ala Honko ary ho an’ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny ifotony manantateraka ny asa fampandrosoana ao an-toerana. Isaorana arak’izany ireo orinasa izay nanome ny fampitaovana toy ny PEX ,SMP ,RFO, PNB …
Tanteraka soamatsara tsara nandritra izany koa ny Famindram-pitantanana ny ala Honko eo amin’ireo Vondron’olona ifotony #TGRN Teo anatrehan’ny Minisitra mirahalahy mianaka A/toa MAHATANTE Paubert sy A/toa ANDONIRINA Max Fontaine.
Farany ny fanomezana Marim-pankasitrahana ho an’ireo izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanarenana ny ala Honko izay tena zava-dehibe amin’ny fampaharetana ireo zava-manan’aina rehetra anaty rano Ary amin’ny fanamafisana ny fahafahantsika miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.
#MPEB #MEDD #JIM2025
#FIZARANA_FITAOVANA.
#MAINTIRANO_FARITRA_MELAKY.