Zava-dehibe sy manandanja aminโny seha-pihariana Jono sy ny Toekarena Manga ny ala Honko satria dia tsy vitanโny manome toeram-ponenana ho anโny karazana zava-mananโaina maro, fa manampy ihany koa aminโny fanalefahana ny fiovaovanโny toetrโandro aminโny alร lanโny fitehirizana karbaona sy ny fiarovana ny morontsiraka. Noho izany ny fiarovana azy dia zava-dehibe ho anโny tontolo iainana sy ny hoavinโny taranaka.
Tontosa taminโny fomba ofisialy ny 26 Jolay 2025 teo tao aminโny Fkt Ambondrolava, ao anatinโny Kaominina Ambanivohitra Belalanda, ny fankalazana ny ยซย Andro Maneran-tany ny Ala Honko. Ny lohahevitra nentina nankalazana izany taminโity taona 2025 ity dia ny hoe ย ยป ๐ฏ๐๐๐๐๐ฑ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐’๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐
๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐๐ย ยป.
Io lohahevitra io dia nanamafisana ny anjara toerana lehibe hanananโny ala Honko aminโny fitazonana ny fifandanjanโny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zava-mananโaina isan-karazany.
Manodidina ny 400 ha eo eo ny velarana ala honko ao aminโny Kaominina Ambanivohitra Belalanda ankehitriny ary taminโny faha 04 Jona 2010 tany ho any no nanaovana ny famindram-pitantanana io ala io aminโireo mponina eny ifotony ka ny ONG HONKO SALAMA sy MIHARI no mpitarika sy mpanohana ny VOI MAMELO HONKO aminโny fitantanana izany.
Na izany aza dia misy ihany ny olana indrindra eo aminโny fihenanโny rano manondraka ny ala Honko noho ny fihenanโny lalan-drano izay miteraka fiantraikany ratsy aminโny fahasalamanโny ala, satria ny rano no singa fototra ilaina aminโny fitomboanโny Honko .Noho izany nanaitra ny fitondrana sy ny mpiara-miombonโantoka rehetra ny filohanโny VOI MAMELO HONKO mba hifanome tanana handray aminโny fanalalana ireo lalan-drano ireo.
Nandray anjara taminโity fankalazana ity ireo tomponโandraikitra isan-karazany, anisanโizany ny Lefitry ny Benโny Tanร nanโny Kaominina Belalanda, ny Filohanโny Fkt Ambondrolava, ny DRPEB ny DREDD, ary ny fikambanana tsy miankina toy ny Reef Doctor, VARUNA, ACB, ary ACH. Ny fanatrehanโireo mpandray anjara ireo dia nanamafy ny fiaraha-miasa eo aminโny fitondrana, ny fiaraha-monina, ary ny sehatra tsy miankina aminโny fiarovana ny ala Honko.
#MPEB #JIM #DRPEB #DREDD #Atsimo_Andrefana #ONG_HONKO_SALAMA #MIHARY #VOI_MAMELO_HONKO #Reef_Doctor #VARUNA #ACB #ACH