Iray amin’ireo mpiompy trondro nisitraka ny fiofanana amin’ny fiompiana trondro nomen’ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana Atoa Fabrice izay mipetraka ao amin’ny Kaominina Anosy. Resy lahatra tanteraka amin’ny fiompiana trondro izy ka vonona ny hiroso amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.
Maniry ny hanitatra sy hatsara ny toeram-piompiana izy ary nangataka toro-hevitra ka tonga nitsidika ny toeram-piompiana ny ekipa DRPEB Atsimo Atsinanana ny 25 Jolay 2025. Ny famokarana zana-trondromoa tena mahaliana azy mba hamatsiana ireo mpiompy eny amin’ny manodidina. Miisa 9 moa ankehitriny ny dobony taorian’ny fanitarana izay ataony.
#MPEB #DRPEB #Atsimo_Atsinanana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *