Notanterahina ny faha 11 ka hatramin’ny 31 jolay 2025 teo ny « Séminaire sur la promotion de l’Aquaculture pour les Pays Africains Francophones ».Nandefa solontena efatra (04) ary nandray anjara tamin’izany ny Firenena Malagasy taminy alalan’ ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena Manga, raha dimy ny firenena niatrika izany dia i Bénin, République Centre Afrique, Congo ary i Gabon.
🔸Ny ivotoeram-pikarohana anisany goavana ao Chine, miompana manokana eo amin’ny tontolo anaty rano, dia ny FFRC (Freshwater Fisheries Reaserch Center) no niantsoroka ny fampianarana, ny fizarana traikefa ary ny fifanakalozana nadritra izao fikaonan-doha izao.
Nisy ihany koa ny fahampafantarana isaky ny Firenena tsirairay avy ny sehatry ny Jono  amin’ny endriny rehetra ka nisongadina ny firenena Malagasy raha ny tsikaritr’ireo namana hafa fa efa mihoatra lavitra noho izy ireo eo amin’ny sehatry ny famokarana anaty rano sy ny jono.
Tanjona nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa akaiky kokoa eo amin’ny resaka famokarana anaty rano, indrindra ny fahitana ny ambaindain’ny fikarohana izay efa vita ao Chine, izay afaka hanatsarana ny antsika eto Madagasikara…
Ny Tale Jeneraly lefitra teo anivon’ny FFRC moa no nanokatra sy nanakatona tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ary samy nanantena ireo mpandray anjara ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa SINO-AFRIQUE eo amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny Jono aamin’ny endriny rehetra.
#MPEB #Wuxi #FFRC #Fiaraha_miasa #SINO_AFRIQUE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *