Tanjon’ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP) na Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa ny hiantohana ny mpiasa hanana fahaizana sy fahalalana ilaina mba hanatsarana ny vokatra sy ny fampandrosoana maharitra amin’ ny sehatra misy azy.
Taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha miasa teo anivon’ny Ministeran’nhy Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FMFP Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa ny volana Janoary 2025 dia nisy ny famelabelarana sy torolalana mahakasika ny famatsiambola natokana hampiofanana ireo fikambanana izay misehatra amin’ny ny Jono sy ny famokarana anaty rano notanterahina teny amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera androany 30 Janoary 2025.
Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny fikambanan’ny mpanjono sy mpiompy trondro avy eto amin’ny faritra Analamanga izay miorina ara-dalàna ,ny teo anivon’ny DRPEB Analamanga. Ny famelabelarana dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny fepetra takiana sy ny antontan-taratasy ilaina ary ireo ho tsara ho fantatra rehetra amin’ny fisitrahana izany tohana avy amin’ny FMFP izany.
Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manentana hatrany ireo mpisehatra amin’ny jono sy ny fiompiana trondro mba hiditra ao anaty fikambanana ara-dalàna mba ahafahan’izy ireo misitraka ny tohana avy amin’ny FMFP. Io tohana io dia tsy vitan’ny manome fahafahana amin’ny fampiofanana fa manampy koa amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana ny asa fivelomana maharitra ho an’ny mpanjono sy mpiompy trondro.