Bemiridana izay zava-maniry mitsingevana ka manakana ny fampandrosoana ny sehatry ny jono ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra noho ny fitomboany haingana sy ny fandrakofany ny rano. Izany tranga izany dia miteraka fahasahiranana lehibe amin’ny fampiasana ny farihin’ Andranobe no sady manakana ny fidiran’ny hazavana sy ny oksizenina ao anaty rano ka mampihena ny vokatra azo avy amin’ny jono, izay tena zava-dehibe ho an’ny fiainan’ny mponina ao an-toerana.
Mba hamahana an’io olana io dia mitohy ny ezaka fanadiovana ny farihy indrindra fa ny Farihin’ Andranobe Atsinanana izay natao ny faha 29 Jolay 2025 teo.
Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Vakinankaratra sy ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) mivondrona ao amin’ny Koperativa FIFIMPAVA.
Mba hanamafisana sy hanafainganana ny asa fanadiovana dia nanomboka nanatevin-daharana ihany koa ny ekipa avy ao amin’ny École Nationale des Sous-Officiers d’Active (ENSOA). Manomboka izao dia vata-miaramila zazavao miisa 50 isan’andro no hanampy amin’ny asa fanadiovana mandritra ny dimy andro ary ny tetikasa TANY MEVA kosa no nanome tohana lehibe tamin’ity ezaka ity, ka nahatonga ny fandrosoana haingana sy ny fahombiazan’ny asa.
Izao hetsika izao dia anisan’ny ohatra mazava amin’ny fahaizan’ny fiarahamonina sy ny mpandray anjara rehetra miara-miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana.
#MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #VOI_FIFIMPAVA #ENSOA #Tetikasa_TANY_MEVA