Fampiofanana mahakasika ny fanodinana ny hazadrano ho azo tehirizina.
Tontosa tao amin’ny Fkt Maroloha nandritra ny hateloana ny faha 26 ka hatramin’ny 28 Jolay 2025 teo ny fampiofanana ireo mpanjono sy mpanao kinanga miisa 18 avy amin’ny saha sekoly ao amin’ny Kaominina Tanandava Atsimo sy Sampona distrikan’Amboasary Atsimo sy ireo avy ao amin’ny Kaominina Andranobory Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy.
Nozaraina tamin’ireo mpiofana ny teknika fanamboarana lakana simba,ny fanatsarana ny fitaovana enti-manjono toy ny mpalangy sy ny harato ZZ narahin’ny fizarana teknika fanodinana ny trondro ho lasa trondro sira,saly ary ny masakemboka.Nisy ihany koa ny fanentanana azy ireo hanaja hatrany ny lalana mifehy ny jono sy ny hisorohana ny loza vokatry ny fihinanana ny hazandranomasina misy poizina amin’ny vanimpotoana tsy azo hihinanana izany na ny « Intoxication par la consomation d’animaux Marins »ICAM.
Tanjona ny hamporisihana azy ireo hisehatra amin’ny ara-dalàna sy hanatsarana ny fomba fiasa mba hialana amin’ny fahasimban’ny vokatra sy hanatsarana ny fidiram-bolan’ny isan- tokantrano.
Tao aorian’ny fiofanana dia nozaraina mari-pankasitrahana ireo mpiofana mba hamporisihana azy ireo amin’ny asa izay hataony.
Angady nanana sy vy nahitana izao fampiofanana izao ny fiarahamiasan’i Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anosy sy ny tetikasa MIONJO,nyAD2M ary ny FAO.
#MPEB #DRPEB #ANOSY #FAO #MIONJO #AD2M #mpanjono #Fanodinana_vokatra.