Efa-bolana eo izay no nampihodina ny ZEP na « Zone d’Emergence Piscicole » ao Ivakoana, Marofarihy, Manakara. Ankehitriny dia efa Miakatra ny ampaham-bokatra voalohany.
Dobo iray mirefy 1 ara mahery kely no nakana trondro hamidy ny 28 Jolay 2025 teo.
Araka ny antso nataon’Atoa Armand, izay mpitatana-mpanofa ny ZEP dia nanampy azy amin’ny fanaratovana ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Fitovinagny no sady naka antontanisa ihany koa.
Trondro Tilapia sahabo ho 60 kg no niakatra tao, ary manodidina ny 200-500g eo ny hangeza ny trondro iray. Namidy amin’ny vidiny 20.000Ar isan-kilao ny trondro ka lany avokoa izany.
Velombolo tanteraka ny mpitatana ity ankehitriny noho izao vokatra azo izao.
#MPEB #DRPEB_Fitovinagny #ZEP_Ivakoana