tao mandritry ny 10 andro ny fanarenana ireo vata fampangatsiahina mandeha amin’ny herin’ny masoandro « congélateurs solaires » ao Ambalabe, Kaominina Masianaka, distrikan’i Vangaindrano. Ireto farany dia fitaovana ampiasaina hitahirizana vokatra any antoerana.
Mandritra izany fotoana izany dia misy fiofanana manokana atolotra ho an’ireo teknisiana telo. Avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Atsimo Atsinanana ny roa amin’izy ireo, ary ny iray kosa avy amin’ny koperativa Miray, izay mitantana ny Complexe de Pêche ao Farafangana.
Ny tetikasa MAMATSY, izay vatsian’ny BMZ vola no miandraikitra ny fanavaozana. Toerana fitehirizam-bokatra telo no hisitraka mivantana ny ny fanarenana amin’ity dingana ity. Toerana telo hafa mbola mila fanarenana ihany koa, dia i Mahabe, Ankarana ary Sandravinany. Mitady mpiara-miombon’antoka ny tetikasa ho amin’izany.
Marihina fa tamin’ny taona 2018 no nananganana voalohany ireo vata fampangatsiahina ireo tamin’ny alalan’ny tetikasa ASARA REEL. Simba nefa izy ireo ary nijanona tsy niasa nandritry ny fotoana maharika.
#CongélateurSolaire
#TetikasaMAMATSY
#BMZ
#DRPEB