Notanterahina ny faha 28 jolay ka hatramin’ny 01 aogositra 2025 tao Ampefy, Faritra Itasy ny atrik’asa fanka-kevitra, fandinihana ireo volavolan-didim-pitondrana mifandraika amin’ny fifanaraham-panjonoana lasitra, ny fitantanana ny jono an-dranomasina amin’ny ankapobeny ary ireo fepetra manokana momba ny jono lamatra sy ny mety ho fiarovana ihany koa ireo hazandranomasina sasantsasany.
‎Nanome ny tantsoroka amin’ny fanatotosana ity atrik’asa ity moa ny WWF ary nahitana ny fandraisan’anjara mavitrik’ireo mpisehatra maro ao amin’ny seha-pihariana jono toy ny avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny solon-tenan’ ny mpanjono madinika sy vaventy, ny solontena avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ny ONG misehatra amin’ny jono.
Nanatrika ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny aty rano teo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

‎#MPEB #jono_maharitra_tsara_tantana #lalana #WWF

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *