Ste Augustin, Vatomandry .
Tanora Vao erotrerony i R/toa Joceline dia efa manana ny asa fandraharana izay mampiavaka azy manokana eto Vatomandry. Nanomboka ny taona 2016 ny tenany no niditra tao anatin’ny sehatry ny fiompiana trondro satria Mbola Malalaka hoy izy ny lalam-barotra ho an’ity sehatra iray ity no asa mahavelona ihany koa .
karazana Fiompiana trondro ivelan’ny Tany no hataony izay ahitana Dobo lehibe miisa 3 Ary salantsalany miisa 4 satria tsy trondro ihany fa efa manomboka miompy makamba 🦐 tsikelikely ihany koa ny tenany . Raha ho an’ny sakafo indray dia ny fiompiana lalitra mahasoa na BSF no hataony fanampin-tsakafo ho an’ireo trondro.
Reharehan’ny fianakaviana sy vatomandry ny fanana Tanora Vonona Ary mahaleo tena tahaka azy Raha nambaran’ny RAD eo an-tanana.
Nifampitafa mivantana taminA/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izy Anio ka nanome toky azy ny Minisitra fa ho tohanan’ny Ministera ity asa fandraharana izay ataony ity. Ary mamporisika hatrany ireo vehivavy Tanora toa azy izy tsy hipetraka amin’ny maha renim-pianakaviana fotsiny fa hanana saina toa karokaroka hatrany.
Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
#FANDRAHARANA #FIOMPIANA_TRONDRO
#VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *