Ny Vondron’olona ifotony VOI no isan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana maharitra ny loharanonkarena misy eo amin’ny VOI miisa 102 avy ao amin’ny Kaominina Ambohitrarivo sy Amparafaravola no nahazo fiofanana mikasika ny fepetra hahafahana mitrandraka maharitra ny hazandrano sy ny dina iombonana hiarovana ny zetra ary ireo toeram-panatodizan’ny trondro.
Niara-nisalahy tamin’ny fanofanana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny DURRELL niaraka tamin’ny SRPA Amparafaravola.Nomena lanja manokana nandritra izany ny fampandraisana andraikitra ny tanora .
#MPEB #SRPA #DREDD #DURRELL #VOI #Fitantanana_maharitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *