Taorian’ny fiofanana nomen’ny DRPEB Ihorombe sy ny ekipany ny faha 21 Jolay 2025 lasa teo mikasika ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany (bassin hors sol) dia natomboka ny 01 Jolay 2024 ny fiompiana andrana izay mampiasa dobo vita amin’ny labasy mirefy 1,3 toratelo ka zanatrondro Tilapia miisa 150 manana salan-danja 15gramma no nampidirina tamin’ity dobo hors sol ity.
Ankoatran’izay dia lanana vina hanampy dobo maromaro ny « Association SOAKILONGA » raha mahomby ny fiompiana ka hahazoana vokatra tsara.
Ny Association SOAKILONGA Ankily dia mbola manantena ny fanohanan’ny DRPEB Ihorombe sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana mba hanamafisana ny fahaizana teknika sy ny fitaovana ilaina amin’ity asa ity.
#MPEB #DRPEB_Ihorombe #Association_SOAKILONGA